1 John 2

1Anaka, manoratra ireto zavatra ireto aho mba tsy hanotanareo. Kanefa raha misy manota, dia manana mpisolo vava isika miaraka amin’ny Ray, Jesosy Kristy, ilay marina. 2Izy no fanavotana an’ireo fahotantsika, ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao iray manontolo ihany koa. 3Amin’izany no ahafantarantsika fa mahafantatra Azy isika: raha mitandrina ireo didiny isika.

4Ilay miteny hoe: “Mahafantatra an’Andriamanitra aho”, fa tsy mitandrina ireo didiny, dia mpandainga, ary ny marina dia tsy ao aminy. 5Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, marina tokoa, dia ao amin’izany olona izany no nanatanterahana ny fitiavan’Andriamanitra. Amin’izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. 6Ilay iray izay miteny fa mitoetra ao amin’Andriamanitra dia tokony andeha ihany koa izy tahaka ny nandehanan’i Jesosy Kristy.

7Ry malala, tsy manoratra didy vaovao ho anareo aho, fa didy taloha izay efa nananareo hatramin’ny fiandohana. Ny didy taloha dia ny teny izay renareo. 8Fa manoratra didy vaovao ho anareo aho, izay marina ao amin’i Kristy sy ao aminareo, satria ny haizina dia mandalo, fa ny fahazavana marina dia efa mamiratra.

9Ilay iray izay miteny fa ao amin’ny mazava izy ary mankahala ny rahalahiny dia ao anaty haizina hatramin’izao. 10Ilay iray izay mitia ny rahalahiny dia mitoetra ao amin’ny mazava ary tsy hisy fotoana hanafintohinana azy. 11Fa ilay iray izay mankahala ny rahalahiny ao amin’ny haizina dia mandeha ao amin’ny haizina; izy dia tsy mahafantatra izay alehany, satria ny haizina dia efa nahajamba ny masony.

12Manoratra ho anareo aho, ry zanaka malala, satria ireo fahotanareo dia voavela nohon’ny anarany. 13Manoratra ho anareo aho, ry ray, satria fantatrareo ilay iray avy amin’ny fiandohana. Manoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria noresenareo ilay ratsy. Efa nanoratra ho anareo aho, ry zaza madinika, satria ianareo dia mahafantatra ny Ray. 14Efa nanoratra ho anareo aho, ry ray, satria fantatrareo ilay avy amin’ny fiandohana. Efa nanoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria mafy ianareo, ary ny tenin’Andriamanitra dia mitoetra ao aminareo, ary ianareo dia efa nandresy ilay ratsy.

15Aza mitia na an’izao tontolo izao na ireo zavatra eo aminy. Raha misy mitia an’izao tontolo izao, dia tsy ao aminy ny fitiavan’ny Ray. 16Fa ny zavatra rehetra izay ao amin’izao tontolo izao-dia ny filan’ny nofo, ny filan’ny maso, ary ny fieboebon’ny fiainana-izay tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao. 17Izao tontolo izao sy ny faniriany dia mandalo. Fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra dia hitoetra mandrakizay.

18Rankizy, ity no ora farany. Toy ny efa renareo fa ho avy ny antiKristy, ankehitriny maro ireo antiKristy izay efa tonga. Amin’izany no ahafantarantsika fa ity no ora farany. 19Niala tamintsika izy ireo, kanefa tsy avy amintsika. Fa raha tamintsika izy ireo dia nitoetra niaraka tamintsika. Fa rehefa niala izy ireo, dia nampiseho fa tsy tamintsika.

20Fa manana fanosorana avy amin’ilay Iray Masina ianareo, ary fantatrareo rehetra ny marina. [Fanamarihana: misy dikanteny hafa sasany vaovao izay mivaky hoe: “manana ny fahalalana rehetra ianareo.” Ny dikanteny sasany taloha dia mivaky hoe: “ary fantatrareo ny zavatra rehetra.”] 21Tsy nanoratra ho anareo aho satria ianareo dia tsy mahalala ny marina, fa satria fantatrareo izany ary tsy misy lainga avy amin’ny marina.

22Iza no mpandainga fa tsy ilay iray izay mandà fa i Jesosy no Kristy? Izay olona izay dia ilay antiKristy, rehefa mandà ny Ray sy ny Zanaka izy. 23Tsy misy olona izay mandà ny Zanaka ka hanana ny Ray. Na iza na iza manaiky ny Zanaka ihany koa dia manana ny Ray.

24Fa ho anareo, aoka izay renareo hatramin’ny fiandohana hitoetra ao aminareo. Raha izay renareo hatramin’ny fiandohana no mitoetra ao aminareo, dia hitoetra ao amin’ny Zanaka sy ao amin’ny Ray ihany koa ianareo. 25Izany no fampanantenana nomeny antsika: dia ny fiainana mandrakizay. 26Efa nanoratra izany zavatra izany ho anareo aho momban’ireo izay hitondra anareo amin’ny lalan-diso.

27Fa ho anareo, ilay hosotra izay noraisinareo avy taminy dia hitoetra ao aminareo, ary ianareo dia tsy mila olona mampianatra anareo. Fa toy izay nampianarin’ny fanosorana anareo ny zavatra rehetra dia marina ary tsy lainga, ary toy izay efa nampianarin’izany anareo, dia mitoera ao Aminy. 28Ankehitriny, ry zanaka malala, mitoera ao aminy, mba rehefa miseho Izy, dia hanana fahasahiana isika ary tsy ho menatra eo anatrehany amin’ny fiaviany. Raha fantatrareo fa izy no marina, fantatrareo fa izay rehetra manao ny mety dia teraka taminy.

29

Copyright information for PltULB